Midina ifotony eny ambanivolo mihitsy ireo jiolahy mpangalatra vilany vy sy lakolosy aty Alaotra amin’izao fotoana izao . Jiolahy 5 no nihaodihaody tao amin’ny tananan’ Ambodimangan’I Jesy Amparafaravola, ny talata 20 septembra 2016 teo; izay fantatry ny olona fa mitady vilany vy sy lakolosy ,kinanjo rehefa harivariva tokony ho tamin’ny 5ora sy sasany tany ho any ny roalahy dia niditra an-keriny tranon’olona iray sady nanambana basy ny hamoahana ny vilany vy tao aminy ,nisy nahatsikaritra ny nidiran’ireto roalahy ireto ka velona ny hazo lava eran’ny tanàna ,vetivety dia vory ny fokonolona ka raikitra ny fanenjehana . Nandositra ireto jiolahy ka nisaraka ny làlany , ny iray no tratran’ny fokonolona teny an-tanimbary ka avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ka potika maty tsy tradrano. Ilay iray nitondra basy kosa tafaporitsaka ka tsy hitan’ny fokonolona izay nalehany. Miray hina fatratra ny vahoaka amin’izao fotoana izao, eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay toa miseho lany aty Alaotra ary efa samy manana kiririoka avokoa ny isan-tokantrano mba hifampiantsoana raha misy ny olana.
Janus R