Nivoaka ny didim-panjakana izay mahakasika ny fisondrotana galona eo anivon’ny pôlisy. Misy ny faly, mazava loatra, satria nitombo ny voninahitra. Betsaka noho izany kosa anefa ireo nimenomenona ary nizara ny tsy fifaliany, indrindra raha nahita izy ireo fa amin’ny fotoana tsy naha-teo ny Filohan’ny Repoblika no nivoahan’ilay didim-pitondrana. Natao maimaika sy an-tsokosoko ny lisitra, raha araka ny fijerin’ireo pôlisy izay nitaraina. Tsikaritr’izy ireo ihany koa tamin’ireo 112 izay nahazo izany, dia saika ireo miasa eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo miasa etsy amin’ny lapan’ny Mahazoarivo avokoa ny antsasa-manilany. Ny ambiny sisa no nifampizaran’ny sampan-draharaha maro. Isaky ny miova minisitra izany, na dia ao anatin’ny herintaona aza, dia misy hatrany ny « manga latsaka » eo anivon’ity vondrona ity. Isan’ny nanamarina izany ny fisian’ny brigadie iray (tamin’ny 2011) izay isan’ny tao anatin’ny lisitra hatrany ary lasa kaomisera izy amin’izao fotoana, hoy hatrany ny fanampim-panazavana avy tamin’ny pôlisy izay nanangam-peo. Vao tamin’ny volana mey teo anefa no nisy ny atrikasa ary nifanarahana fa tokony halamina aloha ny resaka fanondrotana galona avy amin’ny « manga latsaka » mba tsy hisian’ny savorovoro. Ny tena atahorana, dia ny fisian’ireo izay niakatra galona kanefa tsy mifanaraka amin’izany ny fahaiza-manaony. Dia ireny fanamparam-pahefana sy tsy fahafehezana asa, no mety ho vokany. Tsy iza anefa fa ny olon-tsotra ihany no tena mizaka voalohany izany…
D.R