- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Tovolahy 12 taona tratra nangarom-paosy, niharan’ny daroky ny fokonolona

Andravoahangy : Tovolahy 12 taona tratra nangarom-paosy, niharan’ny daroky ny fokonolona

Faritra efa malaza ratsy amin’ny resaka halatra raha iny faritra Andravoahangy iny, indrindra fa ny andro alarobia. Tovolahy kely tokony ho 12 taona eo no tratran’ny fokonolona nangarom-paosy, tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo .Araka ny fomba fanaon’ireo lehiben’ny tsena eny an-toerana dia hetezany amin’ny hety maranitra fotsiny izay tratra mangarom-paosy na mangalatra enta-madinika, na lahy na vavy, tsy ankanavaka, saingy toa efa za-dratsy kosa ireto mpangalatra noho ny sazy tsy dia mafy loatra. Tsy nanaiky io fomba io intsony kosa ireto mpivarota sy mponina eny an-toerana fa namely sy nidaroka ity tovolahy kely ity hatrany. Vokany : naratra mafy ity farany ary nivoady ampahibemaso ny tsy hangalatra intsony. « Tsy hangalatra intsony aho, tsy hangalatra intsony aho », hoy hatrany ny tenin’ity tovolahy kely izay vao 12 taona monja.Toa mazana isaky ny alarobia  no ahitana ny tranga toy izao eny amin’iny faritra Andravoahangy iny.

FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici