- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Gazoil an’arivony litatra saika nanjavona

Seranan-tsambon’i Toamasina : Gazoil an’arivony litatra saika nanjavona

Tratra am-bodiomby. Sivy lahy saika hangalatra solika no tratran’ny tompon’andraikitry ny filaminana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alarobia teo vao nangiran-dratsy .  Araka ny fantatra dia mitontaly eo amin’ny 1640 litatra teo ho eo no « gazoil » saika nalain’ireto olon-dratsy ireo tamin’io fotoana io. Saika hahenoana fanjavonana  solika foana ao amin’ity toerana ity, araka ny angom-baovao avy any an-toerana. Tamin’ity indray  mitoraka ity dia tratra am-bodiomby teo am-pangalarana ireto solika ireto mpangalatra. Efa teo am-pamoahana izany mihitsy izy ireo no izao tra-tehaka izao. Nanaitra ireo mpiambina mantsy ny kotaban-dry zalahy, raha mbola teo am-pitsambikinana tamboho ry zalahy. Rehefa nojerena dia mbola hita teo amin’izy ireo ireo gasoil an’arivony litatra saika hangalariny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto mpiambina ireto nisambotra ireo mpangalatra. Notanana avy hatrany ao amin’ny borigadin’ny zandary misahana ny seranana moa izy ireo hanaovana ny fanadihadiana. Hatreto dia mbola manohy ny famotorana ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici