- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra finday : Tafahoatra loatra !

Halatra finday : Tafahoatra loatra !

Tao anaty taxi-be, teo Mahamasina. Nobatain’ilay lehilahy ranjanana ny paoketran’ny ramatoa iray efa zokinjokiny teo akaikiny. Tsy nitsoaka akory izy fa nandeha toy ny olon-drehetra, nivoaka ilay fiara. Finday vao azo avy any ivelany no nalainy tao. Tetsy Andrefan’Ambohijanahary, tovolahy iray niantso ny namany no voan’ny sinto-mahery raha mbola tsy vita akory ny resaka. Lasa koa ny finday tsara tarehy. Tao anatin’ny ora iray no nisian’ireo halatra ireo. Mitaraina ny olona, fa misesy loatra ny sinto-mahery kanefa rehefa mba mipetraka ny fitarainana dia tsy misy fanadihadiana misokatra akory fa lasa fandaniam-potoana fotsiny. Tsy mba azo andrandraina ve ny fiaraha-miasa amin’ireo « opérateur téléphonique » eto amintsika mba hahitàna izay lalan’ny finday sy ny mpividy halatra ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici