- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSoamahamanina : Nisy niditra an-tsokosoko, dia voatifitra

Soamahamanina : Nisy niditra an-tsokosoko, dia voatifitra

Nanaovana tifi-danitra, raha araka ny  fanamarihan’ny zandary mpiambina ny toerana fitrandrahana ao Soamahamanina. Rifatra nandositra ary niafina tao ambadiky ny fiara lehibe roa. Nasaina nivoaka saingy tsy nety nitonon-tena mihitsy ilay olona. Teo no nampiasa hery ireo mpitandro ny filaminana ary nitifitra azy. Ny alin’ny alakamisy, tamin’ny 11 ora sy sasany, no nanakoako  amin’ny alina ny feom-basy tao amin’ilay toeram-pitrandrahan’ny orinasa sinoa. Niditra an-tsehatra ny zandary satria raha ny filazan’izy ireo dia ahiana handoro ny fitaovana na ny kojakoja ireo olona niditra an-tsokosoko tao. Dimy izy ireo no tafiditra tao ka ny iray no voasambotra aloha. Tsy nety niteny anarana mihitsy ilay olona azon’ny zandary. « Malagasy » ny anarana averimberiny ary rehefa anontaniana ny toerana nahaterahany izy dia nilaza fa tany Frantsa. Nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly tao Miarinarivo ary noraisin’ny zandary ao Itasy ny fanadihadiana ity olona voasambotra ity. Tsy mety milaza ny tena anton-diany tao izy nandritry ny fanadihadiana, raha araka ny fanamarihana hatrany. Miezaka ny zandary ny mamantatra raha nisy nifandraisany tamin’ny hetsika izay nitranga tamin’ny herinandro teo ity fidirana an-tsokosoko ity. Mihazakazaka be rahateo ny fizotran’ny raharaha, indrindra raha vao nisy ny fampidirana am-ponja, ny tsy famelan’ny mpitandro ny filaminana izay mety ho endrika fanoherana an-dalambe momba io fitrandrahan’ny Sinoa ao Soamahamanina io. Omaly koa aza dia fantatra avy amin’ny fanazavan’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana, fa karohina ankehitriny ny Minisitra teo aloha Augustin Andriamananoro rehefa nolazaina, fa mpitarika ny hetsika izay nolazaina fa tsy nahazoan-dalàna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici