Tsy ela fidona ny mpivarotena amin’izao ary tsy kely làlana ny ratsy. Ny talata teo, tany Toliara, dia vazaha lahiantitra iray noheverin’olona ho adala na mamon-drongony nigogogogo nitomany ka nahavariana ny mpandalo. Tamin’ny angom-baovao no nahafantarana fa lasan’ny makorelina niara-nirevy sy niray taminy ny vola rehetra niampy finday. Ny alin’ny alatsinainy teo dia niara-nanala azy izy ireo, avy eo niara-natory, nefa akory ny hatairan’ity teratany vahiny noho ny maraina ny andro fa tsy hita izay nanjavonan’ilay koaitra ary lasan’ ity mpivarotra fitombenana mpanendaka ity fananana. Very fanahy mbola velona ilay vazaha, hany heriny nigogogogo nitomany. Ny tena nampihomehy dia nisy tamin’ireo mpandalo nanome mofo gasy sy rano an’ity vahaza mbola nakafoka somary dizina ity. Nitomany ohatra ny zazakely indray avy eo. « Misy raha la terre ! »
Manitrisa