Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana ady heloka tsotra taorian’ny raharaha izay nitranga tetsy 67ha ny alin’ny 12 septambra teo. Voalohany dia tsy voaporofo ny fisian’ny halatra ary noafahana noho ny fisalasalana ireo voakasiky ny fitoriana. Manaraka izany, momba ny vonon sy ratra niniana dia voampanga telo volana sazy mihantona ireo olona voakasika. Ireo farany ihany dia nodidian’ny fitsarana handoa honitra roa tapitrisa ariary avy amin’ny mpitory. Tsy nijanona teo ny didy satria ankoatra izany dia mandoa 150.000 ariary amin’ny vadin’ilay polisy ireo olona voatory. Farany, momba ity raharha ity ihany, dia nolavin’ny fitsaràna ny fangatahana onitra izay nataon’ilay pôlisy. Raha ny re omaly dia mety hampiakatra fitsarana ambony ireo olona voatory momba ity raharaham-pitsaràna ity. Raha ny fahazoana ny fivoaran’ny zava-misy dia ny tapany voalohany amin’ny ady ihany no vita hatreto. Tamin’ny herinandro lasa teo mantsy dia nametraka ny fitoriany teny amin’ny pôlisy ihany koa ny Solombavam-bahoaka izay mpiahy ireo olona voakasiky ny fitoriana voalohany. Tsy iza fa olona eo anivon’ny vondron’ny pôlisy ihany no torian’izy ireo noho ny halatra sy vono ratra niniana. Mbola mety ho tantara mitohy araka izany…
D.R