Lehilahy iray, voalaza fa avy nandrahona ny Ben’ny tananan’Andolofotsy, no voatifitra teo amin’ny tongony ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, tonga tao amin’ny kaomina ity lehilahy ity niaraka tamin’ny rahalahiny roa. Nanompa sy nandrahona ny Ben’ny tanana ary nilaza fa hampiditra dahalo ao an-toerana. Nisy mpitandro saika hanao raharaha tao amin’ity biraom-panjakana ity no avy hatrany dia nandray ny andraikiny, niezaka ny nandamina ireto mpanakorontana. Nanohitra anefa fa tsy mety nalamina ireto andian’olona ireto, ka voatery niroso tamin’ny fisamborana ilay zandary. Tsy nanaiky lembenana mihitsy anefa ireto olona ireto fa mbola nifampitolona tamin’ilay mpitandro filaminana. Tamin’izay fotoana izay no voakitika tsy nahy ny basin’ilay zandary ary nipoaka. Voa teny amin’ny tongony ilay lehilahy mpanakorontana. Nahita izany kosa iretsy namany avy hatrany dia nirifatra nandositra. Niantso namana ity zandary ity ary tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana, nisambotra ireo tafatsoaka. Voasambotra ihany ireto farany moa ary nentina tany amin’ny biraon’ny zandary nanaovana fanadihadiana. Nalefa notsaboina kosa ilay voatifitra. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity amin’izao.
m.L