Tsy mataho-maty. Efa hatramin’ny amin’ny fitsarana no sahin-dry zalahy vakiana. Ny alatsinainy vao maraina lasa teo, jiolahy dimy lahy no namaky ny biraon’ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny tribonaly ao Arivonimamo. Araka ny fampitam-baovao azo anefa, dia tsy nisy zavatra very tao anatiny, fa vao teo am-panomanana ity asa ratsy ity izy ireo no tsikaritry ny fokonolona. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina teo ho eo no hitan’ny mponina, fa nisy nihaodihaody teo amin’ity faritry ny fitsarana ity. Telo lahy no niandry tety ivelany, raha ny fampitam-baovao hatrany ary ny roa kosa toa efa tafiditra tao anatiny. Angamba tsapan’ireto olon-dratsy fa nisy nahatsikaritra izy ireo ka dia nirifatra nitsoaka no nataony. Ny antoandro vao nampandre ny zandary ireo mpitsara tomponandraikitra. Araka izany, dia tsy nahavita hatramin’ny farany ny zavatra saika nokasainy hatao ireto olon-dratsy. Hatreto dia mipetraka ny fanontaniana, inona marina no tena nokendren’ireto olon-dratsy ireto tao amin’ity biraon’ny mpiraki-draharaha ity ? Antontan-taratasim-pitsaràna ? Sa resaka fandrobana tsotra fotsiny ? Efa nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana hikarohana ireto olon-dratsy saika hamaky fitsarana ireto.
m.L