Omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo no nitrangan’ity lozam-pifamohivohizana ity, teny akain’ny Ekar Faravohitra iny. Araka ny vaovao voaray dia fiara tapaka hisatra no niteraka ity loza ity, Iny nidim-pidinana iny ity fiara ity no nisy olana teo amin’ilay hisatra avy eo nidona mafy tamin’ny sisin-drindrina vato teo amin’iny Ekar Faravohitra, ilay fiara ka dia nitsimbadika tanteraka ambony ambany. Fantatra fa niantefa tamina fiara hafa sy moto iray izay nandalo teo an-toerana ity fiara ity. Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany no nahafantarana fa olona roa no tao anatin’io fiara io izay voalaza fa vehivavy bevohoka ny iray. Tsy nisy kosa ireo olona izay namoy ny ainy tamin’ity lozam- piarakodia ity , saingy ireo izay tao anatin’ity fiara ity kosa no voalaza fa naratra noho ilay fiara izay tena nivadika tanteraka, ka nentina avy hatrany teny amin’ny tombim-pahasalamana haingana izy ireo. Nisy fahasimbany kosa ilay fiara, ary fantatra fa vaky tanteraka ny fitaratra. Tokony hitandrina hatrany ireo mpamily fiara mba hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)