- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Rongony 200 kg tratra tao amin-dRahery

Androhibe : Rongony 200 kg tratra tao amin-dRahery

mpivarotra-rongonyEo anatrehan’ny fiparitahanan’ny zava-mahadomelina izao, vokatra tsara indray no azon’ireo pôlisy miady amin’izany. Mpibizina rongony efa ikoizana eny amin’iny faritra Androhibe iny no voasambotry ny pôlisy, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fantatra, dia teo am-pivarotana mihitsy ranamana no tra-tehaka. Tamin’ny fisavana ny tranony, dia mbola nahitana rongony 12 gony, izay mitotaly eo amin’ny 200 kg eo ho eo tao aminy. Voalaza fa tany Betroka no nangalany ireto rongony ireto. Fa tamin’io andro io ihany, teny …., lehilahy iray no tratra teo am-pifohana rongony. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina nohadihadiana. Natao ihany koa ny fisavana ny tranony ka nahitana rongony mbola mabiry 12 fototra tao aminy ary fonosana maromaro. Manentana hatrany ireo mponina moa ny avy amin’ity sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina eo anivon’ny pôlisim-pirenena ity, ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo. Mazana tokoa mantsy, dia efa fanta-poko, fanta-pirenena izao ireny fanetriben’ny firenena ireny, fa vitsy ireo olona no sahy milaza azy any amin’ny mpitandro filaminana, tahotra ny hifoterany, izay mety ho tonga hatrany amin’ny famonoana mihitsy.

m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici