Rehefa voasambotra ny mpanendaka maromaro dia ny mpivarotra volamena indray no nosamborina. Miray tambajotra ihany mantsy izy ireo.
Noho ny fividianana entana halatra no antony nampidoboka am-ponja azy ireo. Olona 15 no natolotra ny fampanoavana noho izany antony izany ary naiditra etsy Antanimora taorian’izay. Tsy inona fa ireny volamena misy manendaka eo Analakely ireny no vidin’ireo olona izay mihainohaino eo amin’ny manodidina. Mainka koa izany mampirongatra ny sinto-mahery ,satria lasa mandrisika ireo olon-dratsy ny vola eo no ho eo. Tsy mila mandeha lavitra akory izy ireo fa mihodina kely eo Analakely dia vita ny fivarotana ny firavaka. Vola vetivety araky ny fiteny. Raha ny fihevitra azy dia efa mivondrona anaty tambajotra kely na ireo mpanendaka na ireo mpividy volamena. Ny antony dia samy mahazo tombontsoa ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Tsikaritry ny mpitandro ny filaminana izany toe-javatra satria ireo olona manao firavaka no tena matetika voaendaka eo Analakely. Narahi maso ireo olon-dratsy ary hita fa eo amin’io havokavok’Antananarivo io ihany no hivarotana ny volamena. Iza no ao ambadiky ny fividianana volemena? Tsy maintsy misy mpanambola mantsy aorian’ireo mpividy halatra etsy Analakely. Tsy eo ihany ve no iaingain’ireny volamena amin’ny kilao maro izay mivoaka an-tsokosoko eto amintsika ireny?
D.R