Vao maraina omaly dia efa nisy indray ny fikasàna hanondrana harena an-kibon’ny tany. Volamena milanja 24.5 kilao, miampy girama an-jatony vitsivitsy, no nokasaina haondrana any Nairobi. Ny sidina Kenya Airways izay niainga tamin’ny roa ora maraina no tokony nandehan’ilay lehilahy tomponantoka tamin’izany. Efa tafavoaka teo amin’ny fijirihina ny entana izy ary efa tafiditra tao amin’ny efitrano fiondranana ihany koa. Teny amin’ny làlana hihazo ny fiaramanidina no nisy tampoka ny ahiahy izay nitranga, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Ny antony dia satria tsy zakan’ilay valizy nisy ireo volamena ary nanintona avy hatrany ny sain’ireo tomponandraikitra amin’ny fanaraha-maso. Nantsoina ilay olona ary nosavaina ny entany. Hita tsirairay ireo bolongam-bolamena maromaro izay nafenina tao amin’ny sisin’ny valizy. Nosamborina avy hatrany satria tsy nisy ny taratasy mifanaraka amin’io fitondràna harena an-kibon’ny tany io. Ny teo anivon’ny fadin-tseranana no nanokatra ny fanadihadiana ary fantatra fa manodidna ny telo miliara ariary ny tetimbidin’ireo volamena saika haondrana ireo. Fantatra ihany koa teo anivon’ny mpitandro ny filaminana fa saika hizotra omaly maraina tany Nairobi ilay lehilahy ary hiverina anio. Saingy sarona ny entana saika halefa ary io voasambotra io. Io vanim-potoana fohy kely io no mety afaka manamarina fa ao Nairobi izany dia efa misy olona hafa indray mitondra ireo volamena izay matetika dia miafara any amin’ny tany Arabo, toa an’i Dubai. Mitovy hatrany izany ny lalan’ny volamena satria saika mandalo Nairobi avokoa izay mpitondra na « passeur ». Midika koa izany fa efa misy tambajotra izay tsy voatery gasy rehefa tonga ao an-toerana ary io indray no mandefa ny volamena amin’ny olon-kafa. Isan’ny handrasana amin’ny fanadihadiana mandeha amin’izao ny fomba tsy nahitàna ireo volamena teo amin’ny fitiliana (scan). Ny horonan-tsary « vidéo » izay manampy amin’ny fanaraha-maso dia efa nalain’ny mpanao fanadihadiana avokoa mba hahafantarana ny lesoka sy izay mety ho tomponandraikitra.
D.R