Raikitra indray ny sakoroka tamin’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana, omaly, tao Soamahamanina. Ny antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nanomboka nipoaka ny baomba « lacrymogène », nanaparitaka ireo andian’olona tao an-toerana. Raikitra avy hatrany ihany koa ny tora-bato avy tamin’ny andaniny. Nihanahery vaika, fa tsy toy ireo efa nisy hatramin’izay ity hetsika omaly ity. Nisy tamin’ireo tany an-toerana mantsy no nahare feom-basy, ka izay no vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo fokonolona. Tranga izay mbola tsy voamarina hatreto. Vokany, am-polony no naratra, na ny teo amin’ireo mpanao fitakiana izany, na ny tamin’ireo mpitandro filaminana. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy, raha ny fantatra hatrany. Maro ihany koa ireo zavatr’olona potika tany an-toerana vokatr’ity sakoroka ity hatrany, ka tsena maro no rava. Tsy nijanona tamin’ny fanaparitahana intsony ireo mpitandro filaminana, fa niroso tamin’ny fisamborana, nony kelikely. Olona roa no fantatra fa nosamborin’ireo mpitandro filaminana, ary nentina tany Miarinarivo. Mbola misy olona hafa kosa no karohina ka nifanjehan’ireo mpitandro filaminana hatrany anaty elanelan-trano. Teo anatrehan’ity tranga omaly ity, dia tapaka tanteraka iny lalam-pirenena voalohany iny , izay niteraka fitohanana ho amin’ireo mpampiasa làlana. Etsy andanin’izay kosa, milaza ireo mpanao fitakiana fa hanohy hatramin’ny farany ny hetsika izay ataon’izy ireo any Soamahamanina ity. Raha ny mikasika ireo naratra kosa, dia efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy izy ireo, rehefa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.
m.L