Teo amin’ny fisavana izay nataon’ny pôlisy no nahitana ireo fatin-drajako kely (lémurien) 52. Efa maina ny henan’izy ireo ary miendrika kitoza . Nosamborina ilay olona tomponandraikitra tamin’ny fitaterana ireo henam-biby ; izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ireto. Tao Ambatondrazaka, Antsirabe-Nord, no sarona ilay fikasan-dratsy. Raha ny fanazavana voalohany azo, dia ahiana ho ao Sambava no làlan’ilay varotra. Misy hotely maka ireo hena, raha araka ny feo avy any an-toerana . Ahiana tanteraka ny hahafoana ny taranak’ireo biby any amin’iny faritra iny, biby izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy rahateo. Tsy tao anatin’ny kolontsain’ny Malagasy ny fihinanana azy ireny ary ahiana ho misy trafika miforona indray ankehitriny, dia ny fanondranana ireo hena. Niverimberina rahateo ny fahitana ireo hena maina tao anatin’ny roa volana izay. Mila fanadihadiana lalindalina satria ho foana ity harem-pirenena iray ity…
D.R