Nisehoana fanankanan-dalana indray ny alarobia lasa teo tany amin’iny faritra Miandrivazo iny. Taxi-brousse, iray mampitohy an’i Masiakampy sy Morondava no lasibatra tamin’izany. Vokany, maty voatifitr’ireo olon-dratsy ny mpamilin’ity fiara ity. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo no nisehoan’izany fanafihana taxi-brousse miharo vono olona izany, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsakoabemaika, sivy kilaometatra tsy hiditra an’i Masiakampy. Telo lahy, mirongo basy ireo olon-dratsy izay efa nitampify teny amin’ny sisin-dalana. Vantany vao nandalo ilay fiara, avy hatrany dia tifitra variraka no nasetr’ireo jiolahy. Voan’ny bala tamin’izany ny mpamilin’ilay fiara. Tsy nisy naninona kosa ireo mpandeha tao anatiny. Ary raha vao nitolefika anefa ilay mpamily, ary tafajanona ilay fiara dia nirifatra nitsoaka ireo olon-dratsy. Tsy nisy na inona na inona araka izany azon’izy ireo tany amin’ireo mpandeha. Tranga izay nahalasa saina ny maro ihany. Fandrobana sa sotasota fotsiny ihany entina hamelezana ilay mpamily. Noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ity farany, saingy noho ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Nidina teny an-toerana avy hatrany nanao ny savahao moa ireo zandary avy ao Miandrivazo sy ireo kalony (andrimasom-pokonolona). Efa eo am-pikarohana ireo olon-dratsy nahavanon-doza kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
m.L