- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBazary Be Toamasina : Notafihan’ireo andian-jiolahy mpitaingina sccoter ny tranom-barotra “Su Lone”…

Bazary Be Toamasina : Notafihan’ireo andian-jiolahy mpitaingina sccoter ny tranom-barotra “Su Lone”…

Niverina manao ny asa ratsiny eto Toamasina indray ireo andian-jiolahy mpitaingina Scooter manao andiany efatra. Ny alakamisy antoandro teo tokony tamin’ny 11ora, dia ny tranom-barotra “Su Lone” tao Bazary be no lasibatr’ireto andian-jiolahy mitam-basy mpitondra moto ireto. “Korano mangingina” ity tranga ity satria na ireo mpitandro ny filaminana aza tsy nampandrenesin’ireo nitrangan’ny fanafihana raha tsy ny tolakandro ny alakamisy, nefa ilay fanafihana niseho tokony tamin’ny 11ora antoandro. Raha ny fanazavana azo dia efa-dahy nitondra moto scooter roa ireto nanafika, ny iray ihany no nitondra fitaovam-piadiana PA tamin’izany, tsy nanao saron-tava izy ireo. Raha vao niditra tao amin’ny tranom-barotra “Su Lone” ireto jiolahy dia ny vola no nangatahiny tamin’izy ireo, ka lasan’ireo jiolahy ny vola tao anaty baoritra fametrahana azy, tsy fantatra marina ny sandan’ny very hatreto. Mbola maromaro ihany koa ireo olona mpivarotra antsinjarany nividy entana tamin’ity tranom-barotra ity, ka nisy tamin’ny volan’izy ireo ihany koa no lasan’ireo andian-jiolahy ireto. Tsy nisy kosa ny naratra sy ny maty nandritra izany, na efa nandrangaranga ny hitifitra izay mihetsika sy miantso vonjy aza ireto andian-jiolahy ireto. Ny fanazavana hafa ihany koa no nahalalana fa efa hitan’izy ireo tsy lavitra ity tranom-barotra ity ireto jiolahy ireto 30min talohan’izao fanafihana izao. 24 ora taorian’ny fandalovan’ireo delegasionina nanara-dia ny filoham-pirenena nitokana zava-bita teto Toamasina no nitrangan’ity fanafihana mitam-piadiana tranom-barotra ity. Nilaza ny efa nametraka fitoriana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ity tranom-barotra ity, ka andrasana izay ho tohiny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici