Vola mitentina eo amin’ny 190 tapitrisa iraimbilanja, saika handoavana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra Fram any amin’iny faritra Manakara iny no very tsy hita ny faran’ny herinandro lasa teo. Tompon’andraikitry ny fampianarana iray, any an-toerana izay nitondra ireo vola ireo no efa voatazona sy atao fanadihadiana any amin’ny biraon’ny zandary ao Manakara. Raha ny fanazavàna azo dia efa nizotra am-pilaminana ny fizaràna ity tambin-karàma ity. Efa nisy araka izany ny ampaham-bola nozaraina. Tsy vita ny andro iray anefa izany izany ka nentin’ilay mpizara tany an-tranony ny ambim-bola. Tany no nanjavona ity volam-panjakana ity. Nilaza mantsy ity tompon’andraikitry ny fampianarana voatazona ity fa hoe nisy vahiny tao aminy, ary tsy hita intsony ilay vola taorian’izay. Raha ny tontalin’ny vola very dia azo eritreretina fa mbola betsaka ireo mpampianatra no tsy nahazo ny anjarany mihitsy. Eo anatrehan’izay dia ahiana ny mety hisian’ny korontana any an-toerana, raha ny fanazavàna azo hatrany, noho izay toe-javatra izay, satria mety tsy hanaiky ireto mpampianatra tsy nahazo ny anjarany ireto. Na izany na tsy izany anefa dia efa mandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny faritra iny. “Hatreto dia azo lazaina fa milamina ny an-toerana, tsy fantatra anefa izay havoakan’ny ampitso ka efa mandray ny fepetra ny amin’izany izahay.” hoy ny Kômandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Fianarantsoa.
m.L