Afak’omaly tokony tamin’ny 2ora tolak’andro teo, no nitrangan’ity loza ity, teny Antanimena . Araka ny vaovao voaray, dia fiara roa izay voalaza fa nifandona mafy no niteraka ity loza ity. Vokatr’izany naratra mafy ny mpamily sy ireo mpandeha, tsy nisy kosa ny aina nafoy nandritra ity tranga ity, saingy ireo fiara roa kosa no nisy fahasimbana:vaky tanteraka ny fitaratra ary kiaka ihany koa ny sisin’ny fiara na ny andaniny na ny ankilany. Raha ny fantatra dia vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpamily roa tonta no niteraka ity fifandonana mafy ity. Fantatra fa efa manohy ny fitsabona eny amin’ny hopitaly moa ireto naratra ireto ankehitriny.
FINARITRA.RAKOTO (Stagiaire)