- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Ramatoa maty voafaokan’ny « scooter », nitsoaka ilay nandona

Itaosy : Ramatoa maty voafaokan’ny « scooter », nitsoaka ilay nandona

Ramatoa lehibe iray mananika ny 80 taona no namoy ny ainy rehefa  nofaohin’ny môtô « scooter » iray, teny Itaosy, ny alatsinainy hariva lasa teo. Mazava ho azy fa nandeha mafy dia mafy ity môtô ity tamin’io fotoana io, ary tsy mba nahalala nijanona akory fa vao mainka aza nitsoaka nandositra. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, no nisehoan’ity tranga ity. Handeha hiampita arabe mihitsy tamin’io fotoana io ilay renim-pianakaviana no nandalo ilay scooter. Mafy dia mafy ny fifandonana fa avy hatrany dia nipitika sy nidaraboka tamin’ny tany ilay voadona. Somary nihilangilana fa tsy nianjera kosa ilay mpitondra môtô, ary izay no nohararaotiny nitsoahana. Tsy nahatsiaro tena kosa tetsy andanin’izay ilay ramatoabe, nitsirara teo amin’ny arabe, nanaitra ireo mponina nahita. Avy hatrany dia nifanome tanana moa ireo nahita nitondra azy tany amin’ny hôpitaly, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Fantatra fa efa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary efa misy ny fanadihadiana misokatra. Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana hatrany, fiara maromaro no indray potika, omaly ,tetsy Soanierana. Taxi-be iray no nahatonga ny loza rehefa nifatratra tamina fiara teo alohany izy. Ity farany indray avy eo no nandona ny teo aloha, ary toy izany hatrany. Fiara efatra raha ny fantatra no nahitana fahapotehana. Raha ny zavatra simba dia azo heverina fa mety ho tapaka « frein » ity taxi-be ity ka tsy tafajanona raha tsy io nidona tamin’ny fiara teo alohany io. Mpandeha vitsivitsy tao anatin’ity fiara ity kosa no naratra ary nalefa avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici