- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Fiara 4 L , nirehitra tsy nisy noraisina intsony

Ambodivona : Fiara 4 L , nirehitra tsy nisy noraisina intsony

Omaly  maraina tokony tamin’ny 9 ora teo, no nitrangan’ity loza ity teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Araka ny vaovao voaray, dia kila tanteraka ity fiara ity tsy nisy noraisina intsony. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana  fa diso nafana loatra ity fiara ity ka izay no  niteraka ny loza ,teo ihany koa ny nanambara fa nisy ny  “ cours circuit”. Araka ny fanazavana hatrany, dia tsy nisy nahatsikaritra ny afo, fa iny izy efa niredareda iny vao taitra ny olona , eny na dia ny tompon’ity fiara ity aza.Saika tsy maty ny afo , niezaka namonjy avokoa izay nandalo rehetra, tao ny namono tamin’ny lamba , vovoka, saingy  tsy nahafaty ity afo ity kosa ny rano. Ity tompon’ny fiara kosa sady tsy nahahetsika fa nalemy tanteraka. “Vonjeo e, vonjeo, very aho” hoy hatrany ny fitarainan’ity tompon’ny fiara 4L ity. Fantatra fa tsy azo noraisina intsony ny zava-drehetra tao anatin’ity fiara ity izay voalaza fa nisy vola. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny olona naratra nandritra ity loza ity, saingy ny fiara kosa no tsy avotra intsony .

FINARITRA.RAKOTO(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici