Nivadika teo amin’ny arabe, tao amin’ny tanana antsoina hoe Sarimasina 5km tsy hidirana ny tanànan’i Toamasina ny fiara Sprinter an’ny orinasam-pitaterana Cotisse, mpanao zotra Antananarivo – Toamasina, tokony tamin’ny 4ora maraina. Mpandeha 10 tamin’ireo 18 tao anaty fiara no naratra mafy nandritra izany, ka tsaboina eo anivon’ny hopitaly ben’i Toamasina, tsy nisy kosa ny maty. Ny fanaovana “Dona – Miverina” no niteraka ny loza vokatry ny tsy fahampian’ny torimaso tamin’ilay mpamily, izay efa tsikaritry ny mpandeha noho ny fijanonany matetika maka aina teny an-dalana. Raha ny fanazavana avy tamin’ireo mpandeha, dia mpamily vao tonga avy nanao zotra Toamasina – Antananarivo ny alatsinainy ity mpamily ity no voatendrin’ny orinasam-pitaterana Cotisse hitondra azy ireo indray. Manginy fotsiny ny fahaverezan’ny entana sy ny vola ary ny findain’ireo mpandeha tsy nisy mpiaro; satria ny mpamily tafavoaka mialoha ny fiara, tsy ireo mpandeha nentiny no olana taminy fa ny fanampenana ny laharan’ny fiara no nahamaika azy hoy ireto mpandeha tezitra. Mbola sahirana nanala ilay fiara nivadika tao Sarimasina izy ireo ka nanadino ireo mpandeha nentiny tra-doza noho ny nataon’izy ireo ihany, na malaza amin’ny “fanajana” ny mpandeha sy ny “mpamiliny” aza ny orinasa. Noho io tsy fanampiana ireo maratra amin’ny fitsaboana nefa mpandeha ara-dalana, dia nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitr’ilay orianasa, omaly tolakandro izay nampiakatra ny feo tamin’ireo fianakavian’ny naratra mbola mitsabo tena lany vola amin’ny havany. Raha tamin’ny 02ora no fotoana nifanomezana dia tsy nipoitra ity voalaza fa tomponandraikitra eto Toamasina hatramin’ny 4ora nialan’ny mpanao gazety te-hahalala ny marina mikasika izao lozam-pifamoivoizana izao. Tsy mbola misy mpiantoka fa mianton-tena avokoa izany hatreto ireo naratra rehetra
Malala Didier