Taorian’ny fiakaran’ireo voarohirohy efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy farany teo, ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana mihazona ny antontan-taratasin’adin’izy ireo fanindroany, dia nisy anaran’olona nivoaka tao, nandritra ny fakana am-bavany ireo voarohirohy ireo, ka nisy olona telo hafa indray nosamborina tao Sainte-Marie, voalaza fa mifaningotra amin’ilay vono olona. Ny angom-baovao niainga avy any an-toerana no nahalalana, fa ny roa amin’ireto olona vao nosamborina araka ny baiko nidina avy amin’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ireto, no misy ifandraisany amin’ny antontan-taratasy eo aminy, ny iray kosa araka io angom-baovao io hatrany dia voarohirohy noho ny tsy famonjena olona amin’ny sarotra nahazo azy. Tsy nahazoam-baovao moa ny mpitsara mihazona ny antontan-taratasy, izay mpitsara vaovao vao napetraka ofisialy ny volana septambra farany teo; nefa fantatra tamin’ny angom-baovao natao, fa niakatra mpitsara zokiolona mpanao famotorana ireto olona telo ireto araka ny didy fampisamborana azy ireo ary efa miandry fitsarana azy am-ponja izao. Ankilan’izany, dia efa nanaovan’ilay banky niasan’ilay “chef d’agence” tao Sainte-Marie voarohirohy tamin’ity raharaha vono olona roa ity ilay “chef d’agence” sy ny banky niasany. Tsy nisy nipika amin’ny maha-tsiambaratelo ny fanadihadiana ara-banky mikasika nandritra izany, nefa azo inoana fa isan’ny fiarovan-tena entiny sy ny mpisolo vava azy hiarovan-tena eo anivon’ny fitsarana ny valin’ity fanadiadiana ity. Hatreto aloha, dia mbola eo am-piandrasana ilay fanadihadiana lalina sy ny fitiliana avy amin’ny fitsarana frantsay ny raharaha, na miroso ihany ny fanadihadiana eto an-toerana amin’ny fitsarana Toamasina misahana ny raharaha. Tsy mbola nisy tamin’ireo voarohirohy miandry fitsarana am-ponja no nahazo fahafahana vonjimaika hatreto na efa nisy aza ny nangataka izany raha ny vaovao nangonina…
Malala Didier