- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Zazakely mianadahy may kila forehitry ny afo

Toliara : Zazakely mianadahy may kila forehitry ny afo

Zazakely roa, mianadahy, 3 taona sy dimy taona, izay mpiray tampo no namoy ny ainy, may kila forehitry ny afo tao an-trano, afak’omaly, tokony niisasak’ alina tany ho any, tany Tsianisia Toliara II. Raha ny vaovao voaray dia niara-natory tamin’ny reniny tao an-trano ireto zaza ireto izao tra-doza izao. Raha ny tombatombana maro dia ankevitry ny jiron-tsolitany nirehitra nanazava tao an-trano no voadona ary nianjera ka niledaleda nampirehitra ity trano bozaka ity. Noho ny fahatairana sy ny fahasemporana dia tsy afaka namonjy an-janany intsony ity renim-pianakaviana, ka kila hotohoton’ny afo tao ireo menaky ny ainy, mandra-pahatongan’ny fokonolona saika hamonjy, kanefa efa ravan’ny afo ny trano ary maty tao ireo zaza tsy manan-tsiny, hoy hatrany ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici