- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomborona – Marovoay : Raikitra ny fitsaram-bahoaka, olona iray maty, vaky ny...

Ankazomborona – Marovoay : Raikitra ny fitsaram-bahoaka, olona iray maty, vaky ny biraon’ny zandary

Ady tany amin’ny bal no niandohany ary izao niafara tamin’ny fifamonoana izao mihitsy. Ny alarobia teo no niseho izany. Lehilahy iray antsoina hoe Zefa no niady tamin’ny iray hafa fantatra amin’ny anarana hoe Jean Paul. Rehefa voa mafy ity farany noho ny vono sy ratra nahazo azy, dia voatery tsy maintsy nalefa nampakarina hotsaboina tany amin’ny hopitalibe Androva Mahajanga. Raha ny vaovao voaray, dia tsy ilay niady taminy loatra no tena nanao ny famonoana fa ny naman’i Zefa hafa tao an-tanàna ; izay antsoina hoe Dada. Izy moa izay efa nosamborin’ireo zandary avy hatrany taorian’io tranga io ary nalefa nofotorana tao Mahajanga.
Fotoana vitsy monja taorin’ny fitsaboana an’ilay tao amin’ny hopitaly anefa izany hoe ny ampitso, dia tsy tana intsony ny ain’i Jean Paul. Fototra iray nampisavoritaka ny tao an-tanàna ny sabotsy teo raha vao naheno ny vaovao ratsy.
Ny zoma ihany, dia efa nanao ny fisamborana an’i Zefa fototry ny ady tany am-boalohany ireo zandary. Nanao ny famotorana sy ny fanadihadiana. Tsy nahandry an’io ny fokonolona sy ny fianakavina fa efa vonona ny hanao valifaty. « Rehefa maty hoy izy ireo ny fianakavinay dia hovonoinay ihany koa ireo izay nahavanona azy ». Ny marainan’io sabotsy io, efa vory tao amin’ny manoloana ny brigady ny zandary avokoa izy ireo. Tsy nahatohatra azy ireo nefa ireo zandary eny fa na dia efa nisy ny fanampin’ireo zandary avy tao Marovoay aza. Raikitra ny fanapoahana basy, fa tsy nampihemotra ny fokonolona izany noho ireo ratram-pony. Novakian’izy ireo ny varavarana, potika ny trano, tafavokan’izy ireo ilay naman’i Dada ; izay tsy iza fa i Zefa. Raha ny nambara, dia nentin’izy ireo tany amin’ny toerana tsy fantatra izy ary tany no namonon’ireo fokonolona azy tamin’ny tora-bato sy daroka ka dia nanaraka hatramin’ny ainy.
Ny sabotsy maraina teo vao nahazo vaovao mahakasika io sakoroky ‘ny fokonolona tao Ankazomborona io ireo zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry Mahajanga, dia nidina ifotony tany an-toerana nijery ny zava-misy. Nanadihady ary nandroso ny famotorana avy hatrany. Hatreto aloha mbola tsy nisy fisamborana natao, satria efa niparitaka avokoa ireo fokonolona nanao ilay famonoana sy fitsaram-bahoaka hoy izy ireo ka andrasana ny tohiny.
Tantely Vandriam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici