- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversOmbay mitady : Sambo Ratianarivo, zazalahy kely 10 taona

Ombay mitady : Sambo Ratianarivo, zazalahy kely 10 taona

samboNanomboka tamin ‘ny alakamisy 29 septambra teo, no tsy hita  Ratinarivo Sambo. Zazalahy kely 10 taona, monina any Andakana, fokontany Ambohitromby, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana, faritra Betsiboka. Araka ny fanazavan-dRtoa Ben’ny tanànan’Andriba, Raveloarivony Laurence, dia Rangahy lehilahy milaza ny hatory eo an-tanàna fa tratran’ny areti-nify no nitondra azy. Araka ny fanaon’ny olona any amin’izy ireo, dia tsy maintsy misora-bahiny izay olona vahiny  hatory. Nilaza ho tsy mahita ny toerana hanaovana izany ilay Rangahy, ka i Sambo, izay lahy kely efa somary lehibebe sady mahira-tsaina no nasaina nitondra azy hanatanteraka izany, teo amin’ny 100metatra eo ho eo miala ny tanàna. Nandrasana tsy niverina ilay zaza sy ilay Rangahy. Dia nihevitra ilay tompon-trano fa mety variana amin’ny zavatra hafa ilay zaza. Kanjo hariva ihany ny andro tsy niverina. Teo vao nikoropaka ny tompon-trano niezaka nitady, tsy nahita. Hatramin’izao, efa notadiavina tamin’ireo fianakaviany rehetra ilay zaza fa tsy nisy nahita.  Ho an’ireo izay mahita io zazalahy kely io, dia afaka miantso ny laharana : 0338510110 ; 034 86 558 41; 034 49 177 89 na 0337960403.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici