Omaly maraina dia nidina tao an-tranon’Ingahy Stockn Manfred tao Ankarena, fokontany Vohilava Sainte-Marie, ny zandary sy ny ekipan’ny fahasalamana ary ny veterinera any an-toerana, nijery sy nanao fanadihadiana manokana ireo alika roa nahavita namono ny tompony ny sabotsy maraina teo.
Raha ny fanazavana azo dia manomboka miova fomba fanaony isan’andro ireto alika roa an’Ingahy Stockn Manfred, indrindra taorian’ny roa volana tsy nanomezana hena azy ireo intsony ka nanovana izany ho “croquettes” manokana ho an’ny alika. Ny fanadihadian’ireo mponina manodidina ity teratany otrisiana maty nokakerin’ny alika tiany ity, dia tato ho ato dia manomboka mamono sy mihinana ireo biby tafiditra sy manodidina ny toerana misy azy ireto alika ireto. Isan’ny lasibatra amin’izany ny akoho amam-borona, ny saka, eny fa hatramin’ny alika kely aza. Mety ho ny tsy fisian’ireo biby tafihan’ireto alika roa ireo intsony noho ny fitandreman’ny mponina manodidina ny bibiny, dia izao nifototra tamin’ny tompony izao ireto alika roa raha nisy fihetsika mety nahatezitra azy ireo nataon’ny tompony.
Vokatr’ izay rehetra izay, dia mety hiafara amin’ny famonoana ireto alika roa ireto ny raharaha, satria ho lasa fahavalom-piaraha-monina sy ny manodidina azy izy ireo. Miankina amin’ny fanapahan-kevitr’ireo tompon’andraikitra any an-toerana sy ny fianakavian’Ingahy Stockn Manfred, izay efa tonga ao Sainte-Marie, ny vadiny, ankehitriny ny fanapahan-kevitra mikasika izany famonoana alika izany.
Hatramin’ny nanoratana ny vaovao aloha dia mbola ao Ankarena, fokontany Vohilava, ny fatin’ity Otrisiana nokakerin’ny alikany ity. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny vadiny sy ny fianakaviany kosa ny fandefasana azy hody an-tanindrazana, na ny handevenana azy any an-toerana.
Malala Didier