- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry Anosibe : Mpanendaka 17 rain-dahiny voasambotry ny pôlisy

Isotry Anosibe : Mpanendaka 17 rain-dahiny voasambotry ny pôlisy

Mpanao sinto-mahery sy mpanendaka rain-dahiny mahatratra 17 no tra-tehaky ny pôlisy avy ao Tsaralalàna ny sabotsy lasa teo, teny amin’iny faritra Isotry sy Anosibe iny. Na hatramin’izay tokoa na hatramin’izao dia efa voasokajy ho faritra mena amin’ny asa fanendahana ireo faritra roa voalaza etsy ambony ireo, ka isan’ny mampikaikaika ireo mponina. Noho izay antony izay indrindra, ary noho ny hamaroan’ireo olona mitaraina eny amin’iny faritra iny no nandrisika ny pôlisy avy amin’ny Sut (Surété Urbaine Antananarivo), nanao ny hetsika teny an-toerana, ka nahatratrarana ireto mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery ireto. Araka ny fantatra dia rain-dahiny amin’izany asa ratsy izany izy ireo, ary saika efa mpamerin-keloka avokoa. Ny ankabeazan’ireto olona tratra ireto mantsy dia efa nigadra teny Antanimora avokoa, noho ity resaka fanendahana ity hatrany. Fantatra moa fa omaly no natolotra ny Fampanoavana izy rehetra ka naverina any am-ponja avokoa. Raha ny fampitam-baovao hatrany dia tsy mijanona hatreo ny hetsik’ireo pôlisy ireo, miezaka hatrany ny manadio ireny faritra mena anjakan’ny tsy fandriam-pahelamana ireny. Noho izay indrindra miantso ny tsirairay izy ireo amin’ny fanomezam-baovao, ahafantarana ny olon-dratsy eny amin’ny fiaraha-monina eny. Mazàna tokoa mantsy dia efa fanta-poko izao ireny olona ireny, saingy noho ny tahotra dia vitsy ireo olona sahy milaza izany eny amin’ny mpitandro filaminana. Tahotry ny hifotoerany avy eo rehefa mivoaka ny fonja ilay olona, na antsojay ataon’ireo havany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici