Ny eo voasambotra, ny hafa manohy ny asa ratsiny hatrany ! Saika isan-kerinandro tokoa dia ahenoana fanafihana taxi-brousse eny amin’iny lalam-pirenana fahafito iny, ary tsy amin’ireo toerana efa mahazatra amin’izay fa niova lasy indray. Iray indray mantsy no lasibatra tao Mahaboboka, Sakaraha ny alin’ny sabotsy lasa teo. Vokany, naratra ny mpamily, ary lasan’ireo olon-dratsy ny vola an-tapitrisany tany ho any. Araka ny fantatra dia handeha hizotra hianatsimo ity taxi-brousse ity. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Antaretra, ao amin’ny kaominina Mahaboboka no navelatr’ireo olon-dratsy ny fandrika. Vato sy hazo no nanakan’ireo jiolahy, izay niisa teo amin’ny dimy teo ny lalana. Ireto farany izay samy nirongo basy avokoa, araka ny fampitam-baovao azo. Avy hatrany dia ny entana sy ny vola ary ny firavak’ireo mpandeha no nalain’ireo olon-dratsy. Fakan-tsary roa, finday isan-karazany, firavaka volamena sy volafotsy, ary vola mitentina roa tapitrisa latsaka no lasan’ireo jiolahy. Niezaka ny hamaly ireto olon-dratsy ny mpamily kanefa sendra ny be noho ny vitsy. Naratra vokatr’izany ity farany ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana, nony lasa ireo olon-dratsy. Nampandrenesina ny mahasika ity tranga ity avy hatrany moa ireo zandary tao Mahaboboka sy ny tany Sakaraha ka tonga avy hatrany teny an-toerana, nanao ny savahao ny manodidina. Efa mandeha ihany koa raha ny fanampim-baovao hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L