Teratany vahiny roa efa samy nahazoazo taona, izay nilomana tao Manakarabe no maty natelin’ny ranomasina, ny asabotsy tolakandro teo, tany Manakara. Tara ny fampandrenesana ireo mpamonjy voina, ka nanano sarotra ny famonjena an’ireto teratany vahiny, na dia niezaka nanampy ny fokonolona, fa ny vata mangatsiaka no sisa nalaina tamin’ny lakana teny ampovon-dranomasina, hoy ny vaovao. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia maro fadifady ny ranomasina ao Manakara, ka tsy maintsy hajaina izany mba tsy ahitan-doza.
Fady henan-kisoa sy lamba mena. Fady any ohatra ny mandro eo rehefa avy nihinana henan-kisoa. Fady itondrana lamba mena sy vilany mainty ihany koa, sns, fa mahatezitra an’ingahibe Sola tompon’ny rano, izay malaza any an-toerana ary mbola inoan’ny olona sy hajain’ izy ireo ny fombafomban-tany. Matetika ireo vahiny tsy miraharaha ny fomban-tany ka mikiribiby tsy mahatanty onjan-dranomasina, kanefa dia loza hatrany no mitranga vokatry ny tsy fitandremana. Mbola maro ny toerana manan-jina eto amintsika ka ilaina ny fitandremana sy fanarahana ny fomban-tany misy hisorohana ny patsa iray tsy homby vava.
Eric Manitrisa