- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanana : Lehilahy hita faty teo amin’ny toeram-pivarotany

Maevatanana : Lehilahy hita faty teo amin’ny toeram-pivarotany

Lehilahy iray manodidina ny 38 taona eo, no hita faty teny amin’ny toeram-pivarotany, ny zoma lasa teo tokony tamin’ny 5ora hariva, izay fantatra fa manam-bady aman-janaka. Araka ny fitantaran’ny fianakavian’ity farany, dia mety ho olona mahafantatra azy ihany no nahavanona izao loza izao, satria tsy nihetsika ny vola sy ny finday teny aminy, saingy ny fatiny kosa izao hita izao. Teo amin’ny vatany kosa no fantatra fa mangana tanteraka ary ny tendany kosa no feno dian’antsy. “Ny mahagaga anay, dia ireto finday sy vola  ireto fa novonoina tsotr’izao ny havanay” hoy hatrany ny fitantaran’ny fianakavian’ity rangahy ity. Rangahy tsy, dia tia miady aman’olona moa ity rangahy ity araka ny nambaran’ireto akaiky azy, fa dia izao nisy namono izao. Marihina fa kambana izy ity. Efa nametraka ny fitoriana kosa ny fianakaviana manoloana izao raharaha izao .

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici