- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazondandy : Tokantrano voatafika, olona iray voatifitra

Ankazondandy : Tokantrano voatafika, olona iray voatifitra

Efa miaraka amin’ny « kalach » amin’izao ny dahalo ! Toy ity nitranga tao Avaratr’Imahatsinjo ao amin’ny fokontany Ambohitratoko, Kaominina Ankazondandy ity. Nirefodrefotra ny basy ny alin’ny alahady lasa teo tao an-toerana. Enin-dahy mirongo basim-borona sy « kalach » no tonga nanafika io tanàna io. Vokany, naratra mafy voatifitr’ireo olon-dratsy ny olona iray tao an-tanana. Omby am-polony any ho any kosa no lasan’ireo dahalo. Tsy nisy sahy nivoaka ireo mponina noho ny tahotry ny ainy. Toa ireny olona romotra ireny ihany kosa tetsy an-danin’izay ireo malaso tsy mitsahatra manapoaka ny basy teny an-tanany. Raha ny fantatra dia toerana somary saro-dàlana sy mitokatokana ity tanàna ity. Hany ka mora ho an’ireto enin-dahy ireto no nanafika izany. Rehefa lasa ireto farany vao niantso zandary ireo mponina. Tonga haingana teny an-toerana iretsy voalohany saingy efa taim-bala sisa no hita. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ireo fokonolona sy ny zandary ka vetivety foana dia latsaka ireo omby nangalarin’ireto dahalo ireto. Tafaporitsaka kosa ireto farany, raha ny vaovao hatrany. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici