- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Mpangalatra nifanenjehan’ny olona, notsindrominy antsy ny kibony

Toliara : Mpangalatra nifanenjehan’ny olona, notsindrominy antsy ny kibony

Lehilahy iray sahabo ho 30 taona eo ho eo no nanindrona antsy ny kibony ka nipotsaka tsinay, omaly nisandratra andro, tany Toliara. Niboba ny rà ary mbola miady amin’ny fahafatesana ny tenany noho ny ratra mafy nahazo azy, hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, araka ny vaovao voaray. Raha ny fanazavana azo dia voasoketa ho nangalatra volamena tamina tokantrano iray tao Tsimenatse ity tovolahy voalaza fa mpidoroka rongony ity. Ankevitry ny natahotra ireo olona nanenjika azy hanao fitsaram-bahoaka izy, ka ny zava-maranitra teny aminy no avy hatrany dia nadidiany ny kibony. Nihevitra ny olona fa nody adala ity lehilahy ity rehefa ho voasambotra, kanefa dia notanterahiny tokoa ny tao an-dohany, ary teo vao zendana ireo nanatri-maso noho ny fasahiany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici