Saika mitovy avokoa ny helok’izy ireo dia ny fanondranana zava-mahadomelina tao amin’ny nosy Maorisy. Voasambotra tao an-toerana tamin’ny fotoana samihafa ary samy efa voatsara. Nigadra tao amin’io firenena io avokoa ireo olona, teratany malagasy, izay voaheloka 15 ka hatramin’ny 35 taona an-tranomaizina. Efa nisy nahavita aman-taonany ny ankamaroany. Noho ny fangatahana izay nataon’ny fianakaviany, izay mazava ho azy fa notohanan’ny fanjakana, dia nisy ny faneken’ny firenena maorisiana ny hamonjana ireo olona voakasika any an-tanindrazany. Roa lahy sy sivy vavy izy ireo, raha araka ny fanamarihana avy amin’ny loharanom-baovao atsy Maorisy. Ao amin’ny fonjan’Antanimora no manohy mamita ny saziny. Sazy izay mbola lavidavitra vao ho tapitra tanteraka satria ao amin’ny Nosy Maorisy dia voasokajy ho heloka bevava ny fidorohana, fanondranana ary koa ny fivarotana sy fividianana rongony. Nosy kely saingy izy no volohany amin’ny laharana eto Afrika amin’ny fidorohana zava-mahadomelina. Izany indrindra no mahatonga ny fanjakana ao an-toerana nanamafy ny lalàna momba izany. Betsaka ny tinady ao an-toerana noho ny hamaroan’ny mpidoroka. Vokatr’izay dia miakatra ihany koa ny vidiny. Nanintona ny mpanondrana, indrindra fa ireo vahiny izany, tao anatin’io ny Malagasy. Maro no efa nigadra ao an-toerana noho io antony io. Betsaka ny rongony ao Maorisy no voaporofo fa avy aty Madagasikara. Nitombo ny fahamailoana avy amin’ny mpitandro ny filaminana maorisiana, indrindra amin’ny Malagasy mandalo eo amin’ny seranam-piaramanidina ao an-toerana. Betsaka angamba no nahatsikaritra fa tena savaina tanteraka mihitsy ny entana sy ny olona raha vao Malagasy. Miteraka fahasorenana aza izany indraindray satria mahatsiaro ho menatra ihany indraindray manoloana ny mpandeha hafa. Saingy efa malaza ratsy ny tany niaviana amin’ny resaka fanondranana hany ka mailo ny olona.
D.R.
Gasy nigadra ao Maorisy : Nisy 11 nafindra ao Antanimora
Articles qui pourraient vous intéresser