- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Fiara 4x4 nandona nahafaty ankizy 8 taona, nitsoaka ny mpamily

Antohomadinika : Fiara 4×4 nandona nahafaty ankizy 8 taona, nitsoaka ny mpamily

Ankizilahy kely manodidina ny valo taona eo ho eo, no namoy ny ainy rehefa nodomina fiara tsy mataho-dalana iray, teny amin’iny faritra Antohomadinika iny, ny alarobia lasa teo. Nitsoaka avy hatrany anefa ity farany, raha ny filazan’ireo mponina. Tokony ho tamin’ny telo ora sy folo minitra tolakandro teo no niseho ny loza, raha ny fanazavana azo. Raha iny handeha hiampita arabe iny ity ankizy ity no nandalo tampoka ilay fiara “Mitsubishi Sportero”. Ary dia voafaoka tamin’izany ilay zaza. Somary nandeha mafy ihany koa ity fiara ity raha ny nambaran’ireo mponina. Mafy araka izany ny fifandonana ary nipitika lavitra mihitsy aza ity ankizy voadona ity. Avy hatrany dia tsy nihetsika intsony izy. Nandriaka ny rà. Vaky ny lohany, ary nahitana ratra avokoa ny vatany iray manontolo. Ireo mponina teo amin’ny manodidina no niezaka nitondra ity ankizikely voadona ity tany amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa, fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra mafy sy rà very taminy. Ny fanazavana teo anivon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana moa no nahafantarana fa tsy nitsoaka ilay mpamily nahavanon-doza, fa avy hatrany dia nanatona azy ireo. Noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka no anton’izay fihetsiny izay raha ny nambara hatrany. Efa tazonina sy  hadihadiana eny Tsaralalàna rahateo ity farany. Omaly maraina kosa no nalain’ny fianakaviany tany amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ity ankizy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici