Toa efa mazana isaka ny alarobia no ahitana tranga toy izao eny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Ramatoa sy rangahy efa antitra manodidina ny 60 taona eo no tra-tehaka ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny ,omaly antoandro tokony hotamin’ny 11 ora teo. Ramatoa mpandidy poketran’olona amin’ny « lame », rangahy kosa mpangaro-paosy. Novonoin’ny olona avy hatrany izy ireto ary tsy nananan’ny olona antra na dia efa antitra aza. Vokatr’izany naratra mafy izy ireo ary namerina ny fitenenana hoe « izahay no mpangalatra teo Andravoahangy e », tsy vitan’izany fa nivoady teo imasom-bahoaka ny tsy hanao io asa io intsony. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa fanaon’izy ireo hatry ny ela io asa io saingy izay vao tratra. « Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ireto zokiolona ».
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)