Raikitra ny sakoroka tany amin’ny tanànan’Ampasibe Manatsatrana, any amin’ny disitirikan’i Fenoarivo Atsinana, omaly, tamin’ny fametrahana ben’ny tanàna avy amin’ny HVM. Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa tsy nanaiky izany mihitsy ny ampahany maro amin’ny mponina ary nitondra sora-bavety nanoherana izany. Ireto olona ireto dia voalaza fa manohana ilay ben’ny tanàna lany tany an-toerana ary efa niasa ho taona iray nefa dia izao soloina izao indray. Araka izany, nisy ny fifandonana teo amin’ny mpomba ilay teo aloha sy ilay vaovao nokasaina hapetraka. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa nisy ny fifampitifirana tamin’izany. Raha vao niseho izany dia volaza fa olona valo no naratra ary nalefa haingana any amin’ny hopitaly any Fenoarivo Atsinanana hanaraka fitsaboana. Toa niova hatrany anefa ny fahazoana ny vaovao avy any an-toerana izay nanambara fa nisy olona roa namoy ny ainy, ankizy vavy mpianatra sy lehilahy lehibe iray. Tamin’ny fanampim-baovao ny hariva, toa hoe tafakatra dimy mihitsy ireo maty. Miisa sivy ny naratra. Nohamarinina tany amin’ny mpitandro filaminana ny vaovao. Ireto farany anefa tsy afaka nanamarina na nandà izany vaovao izany. Fa tsy nijanona teo amin’ny fifampitifirana ny raharaha, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana hatrany. Nisy ihany koa ny fandorana trano fivavahana iray izay nolazain’ny sasany fa manana mpitandrina mpomba ilay ben’ny tanàna vaovao saika hapetraka. Omby iray saika hanaovana lanonana koa no novonoin’ny olona.
Raha vao niseho ity raharaha mafampana ity, nisy avy hatrany ny mpitandro filaminana avy any Toamasina nalefa any an-toerana hanampy ny efa any. Omaly efa hariva, hoy hatrany ny vaovao, dia efa milamindamin-dratsy ny raharaha ary efa mandray an-tanana ny fandehan-javatra ireo mpitandro filaminana marobe tonga any Ampasimbe. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.
Fampatsiahivana fohy no hilazana fa efa niasa herintaona ilay ben’ny tanàna teo aloha. Nisy didy nivoaka anefa mametraka ben’ny tanàna vaovao. Io toe-javatra io no tsy nenken’ny maro ka nahatonga ny fifanjevoana. Efa nisy moa ny toe-javatra sahala amin’izao tany Ampasikely Alaotra.
Nangonin’i r.s.