- Publicité -
vendredi, août 15, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Trano 2 kilan’ny afo, ankizikely 1 naratra mafy, tsy...

Ankadifotsy : Trano 2 kilan’ny afo, ankizikely 1 naratra mafy, tsy nisy noraisina ny entana rehetra

Afaka ny hain-trano tetsy Ankasina ny faha 25 septambra  lasa teo . Trano 2 indray no kilan’ny afo teny amin’iny faritra Ankadifotsy iny. Afak’omaly tokony tamin’ny 9 ora alina teo no nitrangan’ity loza ity.Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa “court circuit”  no nitarika ny loza, izay tao amin’ny trano hazo iray ary nitarika tamin’ny trano hafa teo akaikiny. Fantatra fa olona iray no naratra mafy tao anatin’izany izay voalaza fa mbola ankizikely tokoa, ireo entana rehetra kosa kila tanteraka tsy nisy noraisina intsony, na ny andaniny na ny ankilany.Tsy nisy kosa ny aina nafoy  nanditra ity loza indray mitoraka ity. Araka ny vaovao voaray dia mbola miandry fanampiana ireto fianakaviana very trano ireto ankehitriny , ilay ankizy naratra kosa efa manohy ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici