Nisy mihitsy ny nahazo sary azy ary navoaka tamin’ny tambajotra sosialy. Teo am-pikarakarana alika ilay lehilahy lehibe izay heverina fa tsy salama saina raha oharina amin’ny akanjo anaovany, ny volo lavany, ary ny lotony. Notetehiny tamin’ny zava-maranitra ilay biby ary nesoriny ny taovany. Ny alakamisy teo no nisehoan’izany, tsy tany amin’ny toerana miafinafina akory fa teo amoron’ny arabe. Kiriako izay nahita sady niasa saina ihany koa ndrao mba henan’alika ny amidin’ny sasany etsy sy eroa, indrindra ireny atao masikita ireny. Mila mihetsika mafy ny sampana mpanara-maso ny entana amidy, ao anatin’izany ny hena…
D.R