Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny omaly vao maraina. Taxi-brousse mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny renivohitra no namantana tany ambany tetezana teo amin’ny toerana antsoina hoe Ihazolava. Vokany, olona iray no namoy ny ainy, am-polony kosa ny naratra mafy, izay nalefa novonjena haingana taty an-drenivohitra. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Teo amin’ny Pk 56, anelanelan’Ambatolampy sy Andriambilany, kilaometatra maromaro miala an’i Behenjy. Avy any atsimo ary handeha hianavaratra hihazo ny renivohitra ity taxi-brousse « sprinter » ity izao niharan-doza izao. Tsy fantatra hatreto izay tena nahatonga ny loza. « Ny hany tatitra azonay dia notakonan’ny zavona ilay fiara, ka nandeha tany amin’ny tsy izy, ary izao niafara tany ambany tetezana izao », hoy ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitry ny zandary misahana ny fifamoivoizana any an-toerana. Nisy zavona betsaka tokoa tamin’iny lalam-pirenana mianantsimo iny, raha ny omaly maraina. Etsy an-danin’izay, mbola nandeha mafy ary nirimorimo fatratra aok’izany, ihany koa ity fiara ity, raha ny vaovao hatrany. Tsy nahatazana tsara ilay tetezana angamba ilay mpamily ka lasa tany amin’ny sisiny ny fiara nentiny. Nivadika ambony ambany araka izany ity farany, ary potika tanteraka. Maro tamin’ireo mpandeha tao anatiny no nipitika teny ivelany, tao ihany koa mbola voatery nosokirina. Ary anisan’izany ilay olona iray maty tsy tra-drano. Efa saika nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo avokoa ireo naratra raha ny fanazavàna azo hatrany, saingy na izany na tsy izany, mbola misy amin’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara nivadika ity no mbola miady amin’ny fahafatesana noho ny ratra nahazo azy. Efa mandeha ihany koa etsy andanin’izay ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity.
m.L