- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Razana efa simba tanteraka hita tanaty « dalle »

Anosy : Razana efa simba tanteraka hita tanaty « dalle »

Omaly maraina, raha nanao ny asany ny avy ao amin’ny mpanadio ireny tatatra fandehan’ny rano maloto ireny eto an-drenivohitra dia nahita fatin’olona tao anaty « dalle » teny Anosy manoloana indrindra ny biraon’ny boriboritany faha-4 etsy Mahamasina-Anosy. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ny rehetra. Araka ny loharanom-baovao, efa fotoana maharitra ihany no tsetsina io fandehan’ny rano maloto io. izao anefa voa nodiovina. Rehefa nampiakarina ity fatin’olona ity dia fantatra fa efa fotoana ela no tao anaty fandehan’ny rano maloto ilay razana. Nitangorona ny olona nijery ny zava nisy. Nampilazana ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana sy ny BMH izay samy tonga teny an-toerana. Tsy nisy nahafantarana azy intsony ilay razana satria taolana efa tsy nisy nofo intsony. Ny kiraro teny amin’ny tongony no tsy niova.  Tetsy an-daniny, nifangaro tamin’ny loto maro nanetsina ny tatatra ilay faty toy ny tavoahangy plastika sy ny arona « sachet ». Io fandehan’ny rano maloto io dia fantatra ihany koa, araka ireo mpivarotra marobe eny an-toerana, fa tsy misy sarony. Loto mamofona no nihainan’ny manodidina. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina izay nahatonga ity razana io tao anaty tatatra. Mandeha ny resaka re teny an-toerana fa angamba nisy namono ity olona ity ary rehefa maty dia natao « tsetsin-tatatra ». Raha ny fahitana ilay razana anefa dia nisy koa ireo niteny fa ankeviny sendra loza izy io dia nivarina tao anaty lavaka tao ary tsy tafapoitra intsony.

Amin’izao fotoana izao dia efa nosokafan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana hahafantarana marina ny amin’ity tranga ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici