Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ! Telolahy milaza ho mpiasana « quincaillerie » etsy Andravoahangy no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany faha-telo ny herinandro lasa teo. Efa vola an-tapitrisany maro no azon’izy ireo tamin’ireo olona voasolokiny. Any amin’ireo faritra ivelan’Antananarivo no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny raha ny fantatra hatrany. Milaza ho mpiasan’izany « quincaillerie Mufadal » eny Andravoahangy izany izy ireo. Tranombarotra izay, araka ny fanadihadian’ireo pôlisy dia tsy misy akory. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tompona trano fivarotana kojakoja fanaovan-trano iray teny Ambatomirahavavy no nataon’izy ireo lasibatra. Milaza fa « commercial » avy amin’io « quincaillerie » eo Andravoahangy io izy ireo, ary mitondra entana hoe hamidy ao. « Platre » sy « sikalite » no nentin’izy ireo tamin’io fotoana io. « Mora lavitra noho ny rehetra ny vidin’ireo fitaovana ireo hany ka maro ireo voajono sy manaiky ny hivarotra ilay izy » hoy ny fanazavana. Fotoana fohy aorian’ny fandalovan’ireo « commercial » ireo dia mody misy olona tonga ao amin’ilay tranombarotra, hividy an’io entana io ary marobe tokoa no halainy amin’izany. Mazava ho azy fa roboka ilay mpivarotra hanafatra ilay entana any amin’izy ireo. Raha ity tranombarotra teny Ambatomirahavavy ity dia miteti-bidy eo amin’ny iray tapitrisa ariary latsaka any ho any ireo entana. Ary mba hampiroboka bebe kokoa ilay voasoloky dia mody mametraka « avance » mihitsy ilay olona milaza hividy. Tsy mipoitra intsony anefa ity farany rehefa voahafatra tokoa ilay entana. Teo no nahatonga saina ilay tompon’ilay tranombarotra hijery ity entana nafarana. Tsy nisy afa-tsy tanifotsy sy vovoka mangahazo maina anefa no tao anatiny. Nanomboka teo no fikarohan’ireo pôlisy ireto mpisoloky ireto. Ny herinandro lasa teo izy ireo no voasambotra teny Anosizato. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa maro ireo tranombarotra teny amin’ny faritra manodidina ny renivohitra no voan’izy ireo. Fantatra moa fa mbola misy olona hafa karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Izy telolahy kosa nadoboka any am-ponja avy hatrany miandy ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L