Ny sabotsy lasa teo no niseho iny orana maherivaika iny, oram-be tsy hay nolazaina ary niteraka karazana loza maro ho an’ny vahoakan’Antananarivo. Toy ny tetsy Ankorondrano manokana, dia tamboho be iray no nirodana vokatr’iny rotsa-korana iny ary fantatra fa ramatao efa antitra no nianjeran’io tamboho io. Vokany, tsy nahatsiaro tena ity ramatoa be ity ary miady tanteraka amin’ny fahafatesana ankehitriny. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa tsy nanam-po ny niajeran’ity tamboho ity ny rehetra noho ny tamboho mbola mijoro tsara. Tampoka teo anefa dia nitangorona ny olona ary fantatra fa ity ramatoa be ity no nianjeran’izany. Efa nahazo taona ihany ity ramatoa be ity ka izay no nahasarotra ny fitsaboana , fantatra mantsy amin’izao fa efa tsy mahatadidy olona intsony izy, eny na dia ny fianakaviany aza, voalaza ihany koa fa efa nivadika tanteraka ny masony. Mbola miala nenina eny amin’ny mpitsabo moa ny fianakaviana amin’izao mba hahavotra ny ain’ity ramatoa be ity.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)