- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Lehilahy nodomin’ny fiara, maty tsy tradrano, fisaka ny...

Itaosy : Lehilahy nodomin’ny fiara, maty tsy tradrano, fisaka ny lohany

Omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora teo no nitrangan’ity loza ity teny amin’iny faritra Itaosy iny. Rangahy iray no voahitsakin’ny fiara  tsy mataho-dalana iray teo amin’ny lohany.Vokatr’izany maty tsy tradrano ity lehilahy ity ary  voalaza fa fisaka tanteraka ny lohany rehefa voahitsakin’ny kodiarana. Araka ny vaovao voaray dia fiara efa zatra mpandeha mafy ity fiara ity ka izao nahafaty olona izao. Nijininika ny rà nameno ny arabe ary vetivety dia nitangorona ny olona  nijery ny fatin’ity rangahy ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpamily no niteraka ny loza, araka ny fanazavan’ny olona nahita teny an-toerana. Tonga  ny mpitandro ny filaminanana ka avy hatrany dia noentina natao famotorana ilay mpamilin’ity fiarakodia ity.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici