- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Adala nikapa famaky mpianatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Adala nikapa famaky mpianatra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Aina roa no indray nafoy tao Marofototra, ao amin’ny fokontany Adindrahomby, any amin’ny distrikan’i Sambava, ny talata maraina lasa teo. Ny iray maty nokapain’olona marary saina tamin’ny famaky, moa ity farany niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoy ny ainy ihany koa. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia misy olona adaka miriaria ao amin’io fokontany io, izay tsy misaraka amin’ny famaky eny an-tanany. Tamin’io andro io dia nihetsika ny hadalany ka mpianatra iray handeha hamonjy ny fianarany no sendra azy. Norasarasain’ity rangahy marary saina tamin’ny famaky ity mpianatra ity  ka maty tsy tra-drano. Vetivety foana dia niely eran’ny tanàna ny vaovao ka naira-nirohotra ny fokonolona nanenjika ity rangahy adala ity. Tsy nisy alaharo alaharo ihany koa fa raha vantany vao tratran’ireo mponina izy dia niharan’ny vono sy daroka. Namoy ny ainy vokatr’izany ihany koa ity farany raha ny vaovao voaray hatrany. Fantatra moa fa efa nandefasana mpitandro filaminana avy ao Sambava tany an-toerana nijery akaiky ny raharaha, sy nanokatra ny fanadihadiana tamin’ity resaka vono olona roa ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici