- Publicité -
jeudi, septembre 17, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Mpandraharaha voatafika, lasa ny vola 40 tapitrisa ariary

Mananara Avaratra : Mpandraharaha voatafika, lasa ny vola 40 tapitrisa ariary

Tokantranona mpandraharaha iray any amin’iny faritra Analanjirofo iny no niharan’ny fanafihana mitam-basy ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vokany, vola 40 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ifasina, ao amin’ny kaominina Sandrakatsy any amin’ny distrikan’i Mananara Avatra no nisehoan’ity trangam-panafihana ity. Nanao amboletra niditra tao amin’ity trano ity ireo olon-dratsy izay miisa efatra nirongo basy. Nirefodrefotra ny basy, hany ka natahotra sy tsy nisy sahy nivoaka avokoa ireo fokonolona. Tsy nisy afa-tsy ny zanak’ity tompon-trano ity irery ihany koa no tao amin’ilay  trano ka nanjakazakan’ireo olon-dratsy. Tamin’izany no nangalan’izy ireo ilay volabe. Vita ny asa ratsiny dia nitsoaka izy ireo. Na izany aza, tsy nisy aina nafoy na ny naratra raha ny fampitam-baovao azo. Efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy moa ny zandary amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici