- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy 15 taona tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo

Toliara : Tovovavy 15 taona tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo

Valalanina ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany, fa tovovavy iray 15 taona no tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo, tany Toliara, ary tsy fantatra na maty na velona amin’izao. Raha ny vaovao voaray, dia ny alatsinainy naraina lasa teo, tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any ity zazavavy tsy ampy taona izay kilasy taona fahaefatra (4 eme) ity no niala tao an-trano handeha hianatra, kanefa dia tsy niverina ary tsy hita izay misy azy mandraka ankehitriny. Nanomboka ny harivan’ny 17 oktobra ny fikarohana azy. Voatety sy voajerin’ny havany sy ny olona akaiky azy avokoa izay toerana rehetra mety nahita an’ity anjampela ity, hatrany an-tranony  sipany teo aloha, indrisy fa tsy nahitam-bokany izany. Maso mahita sy tranga mateti-pitranga ao Toliara ao, dia maro amin’ireo ankizivavy miala sakana na manana olana amin’ny ray aman-dreniny no mandeha mitsoaka manaraka lehilahy, ary misy roa na telo volana ny sasany vao miverina an-trano.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici