- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversImerinafovoany : Novonoiny tamin’ny antsy ny vadiny, namono tena izy avy eo

Imerinafovoany : Novonoiny tamin’ny antsy ny vadiny, namono tena izy avy eo

Fandriana mihoson-drà. Faty roa be izao no hitan’ny mponina niampatra tao amin’ity tokantrano iray tetsy Imerinafovoany  omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Lehilahy iray sy vehivavy iray. Araka ny loharanom-baovao azo dia mpivady izy ireo, ary ny fizahana nataon’ireo tomponandraikitra no nahafan’izy ireo nilaza fa mety maty notsindron-drangahy antsy ity olona niaraka taminy, avy eo namono tena izy. Mpivarotra « yaourt » eny amin’iny faritra iny ity rangahy ity raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana. Tamin’io omaly io anefa, gaga ireo mpandray ny entan’ity rangahy ity fa tsy nipoitra izy. Efa nisy ahiahy nipetraka ihany tamin’ireo olona nahafantatra ity rangahy ny amin’ny zava-niseho. Ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany mantsy no nahafantarana fa henon’ny olona nifamaly tao an-trano izy mivady ireto ny alin’io. Nisy sasany tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina aza no naheno antso vonjeo tao amin’ilay tokantrano saingy toa hoe efa mahazatra ny olona ny maheno azy ireo miady sy miantso vonjeo tahak’izany. Tamin’ity indray mitoraka ity araka izany dia niafara tamin’izao rà nandriaka sy vono olona izao ny tantaran’izy ireo. Dian’antsy maromaro no teny amin’ny vatan-dramatoa, izay efa nilona tanteraka tao anaty rà mandriaka. Tsy nahitàna ratra kosa ny vatan-drangahy, izay antony nahatonga ireo tomponandraikitra nilaza fa namono tena izy. Ny tsy fahatongavan’ity rangahy ity nanao ny asany andavanandro no nahamailo ny mponina ka nandehanan’izy ireo teny an-tranony. Ity tranga mampihoro-koditra ity anefa no hitan’ireto farany tao amin’ity tokantrano ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo tomponandraikitry isan-tsokajiny nanao ny fizahana ireo razana. Efa nanokatra ny famotorana kosa ireo zandary eny an-toerana, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici