- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMENABEM : alaimbandy ,Fandaharanasa Matoy ,Novelomina indray ilay famatsian-drano ao an-tanàna.

MENABEM : alaimbandy ,Fandaharanasa Matoy ,Novelomina indray ilay famatsian-drano ao an-tanàna.

menabeMafana dia mafana ankehitriny ny toetr’andro ao amin’ny kaominin’i Malaimbandy, ka ny laharam-pahamehanan’ny mponina dia ny famatsian-drano fisotro.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominin’i Malaimbandy sy ny fandaharan’asa Matoy vatsin’ny fiaraha-miasa soisa, dia novelomina indray ny famatsian-drano ao an-tampon’ny tanàna, ka faly sy ravo avokoa ny vahoaka. Izany no nambaran’ny lehiben’ny tanànan’i Malaimbandy, Kassamaly Reza,  nanditra ny tatitry ny  zava-bitany tao amin’ny tsenabe “renala” andiany faharoa, izay natao tao Morondava ny volana septambra lasa teo. Nomarihin’ity ben’ny tanàna ity ihany fa niteraka tetikasa madinika ihany koa ity famatsian-drano ity, ho fanatsarana ny faripiainan’ny mponina, toy ny fanaovana “jus” sy “ glace” ary ny fitateran-drano isaky ny tokantrano.  Ankehitriny, tsy voatery handeha lavitra ny olona vao mahita rano, hoy ihany ny ben’ny tanàna, ka afaka mamokatra tsara amin’ny asany  andavanandro. Nosoritan’i Kassamaly Reza, fa nanampy ny kaominina betsaka ihany koa, ny fandaharanasa Matoy amin’ny fampiroboroboana ny  lafiny fizahan-tany amin’ny alalàn’ny fampahafantarana ny “site du Massif de  Makay”, izay mampalaza an’ity faritra andrefana ity, miara-miasa amin’ireo mpiara miombona antoka

Fiaraha-miasa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominin’i Malaimbandy sy ireo mpiara-miombona antoka ary ireo sampandraharaham-panjakana isan-tokony, dia betsaka ireo zava-bita, hoy ny ben’ny tanàna, ka nahitana sehatra maro toy ny fanatsarana ny famatsian-jiro, ny fampitomboana ny velaran-tany hambolena miaraka amin’ireo mpanam-bola (investisseurs), ny jono, ny harena an-kibon’ny tany, ny fanatsarana ny birao ifotony ny fananantany, ny fandriampahalemana, ny fanamboarana ny lalana. Betsaka ihany koa ireo orinasa madinika niforona, toy ny famokarana masomboly, ny famokarana lafarinina amin’ny alalàn’ny tsaramaso sy ny mangahazo, ho fampitomboana ny vola miditra (valeurs ajoutées).

Nosoritan’ny ben’ny tanàna fa ireo ezaka ireo dia tafiditra ao anatin’ny  fandaharanasa novolavolain’ny faritra Menabe, hametrahana an’i Malaimbandy ho “pole de developpement économique”.

Sary “Atoa Kassamaly Reza, ben’ny tanànan’i Malaimbandy”. Sary: Anastase

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici